Tsy ho voakosoka ny tantara mipetraka! Olona mifety sy miara-paly no nameno ny Kianjan’ny 13 mey. Nampiray fo ny Malagasy ny sehon’ny tarika AmbondronA teo Analakely, omaly.
Firaisam-po sy saina. Izay no azo ilazana ny zava-niseho teo Analakely nandritra ny fampisehoana nataon’ny tarika AmbondronA, omaly, nanoloana ny Lapan’ny Tanànan’Antananarivo. Seho maimaimpoana natao hisaorana ny mpankafy azy ireo sy famaranana ny faha-20 taonan’ny tarika. Tafiditra tao anatin’ny “Tsangantsangan’Iarivo” ihany koa, hetsika fanaon’ny Kaominina Antananarivo ho an’ny mponina. Tanjona tao anatin’ny fampisehoana ny fanampiana ny zaza eny amin’ny arabe hiditra an-tsekoly araka ny anarany hoe “AraBé”. Niara-paly ny rehetra ary samy afa-po na ny mpandray anjara na ny mpijery. Araka ny nambaran’ny solontenan’ny tarika, mitohy hatrany ary mbola maro ny hetsika sy ny sanganasa ho avy ho fanomezana fahafaham-po ny mpankafy.
Fenon’ny mpankafy AmbondronA ny nanoloana ny Lapan’ny Tanànan’Antananarivo sy ny toerana voatokana nanaovana ny fampisehoana. Samy afa-po ny rehetra nandritra ny fampisehoana. Ireo hira nahafantarana ny tarika hatramin’izay no nentin’izy ireo nampifaly ny mpankafy azy. Anisan’izany ny “Ilay tanàna”, hira izay nentin’ny tarika nanokatra ny anjarany Ankoatra izay, nifandimby nankafizina teny ny hira samihafa, na ny ao anatin’ny rakikira farany na ny ao amin’ny voalohany.
Anisan’ny tarika tena maro mpankafy raha ny tarika Ambondrona. Tazana teny avokoa ny sokajin-taona sy ny saranga rehetra. Ankoatra ny tarika AmbondronA, nomena sehatra manokana ireo tarika vao misandratra.
Lin (Mpianatra asa)