Toamasina : Basy mahery vaika latsaka teny amin’ny jiolahy

Karazam-basy tsy mbola fampiasa eto ity hitan’ny mpitandro filaminana tao amin’ny lalana mihazo an’i Manga­rano, Toamasina I ity, ny alin’ ny zoma 14 avrily teo. Ta­min’ny 8 ora sy sasany alina, raim-pianakaviana iray ha­monjy fodiana nitondra moto no nosakanan’ny jiolahy roa lahy tao Ambalamanasy. Ni­tondra basy ireto olon-dratsy ka nanome tsy fidiny ny moto ilay tompony. Nirifatra avy hatrany ireo jiolahy. Nahita ny zava-nisy, narahin’ny mpitondra bajaj ireo roa lahy naka ny moto. Nihazo lalan-dratsy miditra ny fokontany Manga­rano, nilatsaka tamin’ny tany ilay jiolahy taoriana, nitaingina ilay moto halatra sy ny basy teny aminy. Nahita ny bajaj nanaraka azy sy ny mpitandro filaminana, raiki-tahota ka nanao tongotra an-katoka io olon-dratsy io. Vokany, noraisim-potsiny ny basy la­tsaka tamin’ny tany. Nataon’ ny mpitandro filaminana ny fanadihadiana. Basy tsy fampiasa hatramin’izay teto an-toerana ity sarona ity. Miso­katra ny fanadihadiana ary andrasana ny tohin’ny raha­raha.

Sajo

Partager sur: