Mahery vaika ny fahatapahan-jiro amin’ny faritra maro manerana ny Nosy. Tara ny famatsian-tsoliky ny orinasa jirama. Miezaka mitady vahaolana haingana ny orinasa.
Misy olana ny famatsian-tsoliky ny orinasa jirama amin’ny distrika maromaro manerana ny Nosy. Vokany, voatery mampihatra ny fanapahan-jiro mifandimby na ny “délestage tournante” ny orinasa anatin’ny andro vitsy. Mitsitsy ny solika eo am-pelatanany ny jirama sy ny ministeran’ny Angovo, hisorohana ny fahatapahan-jiro faobe. Natao ora roa isaky ny fahatapahana izany. Tsy eto andrenivohitra ihany anefa ity delestazy ity fa hatrany amin’ireo distrika hafa ihany koa. Etsy ankilany, nilaza ny jirama fa vahaolana amin’izany ny fampitomboana ny tahirin-tsolika mba hisorohana ny olana amin’ny famokarana raha toa ka misy fahatarana ny famatsiana. “Ho hafainganina ny fametrahana ireo foibe famokarana herinaratra azo avy amin’ny herin’ny masoandro miisa 37 amin’ny distrika 37 mba hialana amin’ny fiankinan-doha amin’ny solika”, hoy hatrany ny fanazavany. Notohizany fa “ho hafainganina ihany koa ny fametrahana foibe famokarana herinaratra azo avy amin’ny herin’ny masoandro eto amin’ny tambazotra iraisan’Antananarivo ka isan’ny hanomboka atsy ho atsy ny 20MW ao Moramanga”. Efa mivaha ny olana amin’izao ary efa manomboka tonga any amin’ny faritra ny solika hoentina mamokatra herinaratra, hoy hatrany ny orinasa jirama.
Lavareny
Nanomboka ny zoma teo ny fahatapahan-jiro mifandimby ao Toamasina. Mitsinjara roa izany ka amin’ny 6 ora maraina hatramin’ny 10 ora ny andiany voalohany. Tapaka amin’ny 2 ora ka hatramin’ny 5 ora tolakandro kosa ny andiany faharoa. Tsy lazaina kosa ny amin’ny alina hisorohana ny tsy fandriam-pahalemana, hoy Intsour Dalhila, talen’ny orinasa jirama ao an-toerana. Nozaraina roa ny tanànan’i Toamasina ka samy tratran’izay fahatapahan-jiro izay avokoa anatin’iray andro. Ankilan’izay, manahy hatrany amin’ny firongatry ny tsy fandriam-pahalemana any an-toerana ny mponina noho ny tsy fisian’ny jiro.
Lasibatra hatrany ny mpanjifa
Velon-taraina amin’ny tolotry ny orinasa jirama ny mpanjifa. “Tsy mifanaraka velively amin’ny herinaratra lany ny faktiora mivoaka isam-bolana na tsy mampiasa fitaovana mavesatra aza izahay. Maika izy ireo ny hanakatona ny kaontera raha misy fahatarana ny fandoavana ny faktiora kanefa tsy tomombana ny tolotra herinaratra sy ny rano”, hoy ny mpanjifa iray. Ankoatra izay, mbola manimba zavatra maro sy fitaovana isan-karazany ny fahatapahana miseho. Araka izany, manao antso avo amin’ ny minisitry ny Angovo ny mponina hijery manokana ny zava-misy iainan’ny vahoaka.
Henintsoa Hani/ Sajo