3, 2, 1 pitch! by Fihariana : mpandraharaha sivy mianadahy nahazo fitaovana sy famatsiam-bola

Taorian’ilay fotoana ni­fampizarana tamin’ireo ta­nora mpandraharaha. Niditra tamin’ny fanolorana fankasitrahana an’ireo 9 miana­dahy nisongadina tamin’ny fifaninanana “3, 2, 1 pitch! by Fihariana” ny filoha Andry Rajoelina. Novatsiany fitaovana avy hatrany izy 9 mianadahy ireto. Fitaovana azo ampiasaina hampiroboroboana ny asa sy ny orinasan’izy ireo. Teo ny nahazo milina fanodinana vokatra toy ireo izay misehatra amin’ ny fambolena sy fiompiana. Nisy ny nahazo fitaovana fanaovana sakafo toy ny fanamboarana “chips”. Teo koa ireo izay notolorana “moto” hahafahana manangona na koa mitatitra ireo vokatra mankeny an-tsena. Ary nisy notolorana lelavola ihany koa.

Ireo telo voalohany ta­min’ny fifaninanana dia nahazo fitaovana. Fanam­pin’izay dia hisitraka fampiofanana miaraka amin’ny Next A ihany koa izy ireo. Ireo enina hafa niatrika ny dingana famaranana kosa dia notolorana 10 tapitrisa Ariary tsirairay. “Ny fifampizarana androany dia natao hamahana ny olana ho an’ ireo izay mandraharaha ma­nana hevitra saingy misedra sakana eo amin’ny famatsiam-bola. Matetika dia tsy misy mihaino na manampy ireo tanora”, hoy ny filoha Rajoelina Andry. Sambany no nisy fandraisana toy izao, nanehoan’ny filoha fahavononana hanampy ny tanora. “Vonona ny hanampy anareo sy hifanohana aminareo hatrany aho. Mila ahodina ary indrindra voka­rina eto an-toerana izay ilain’ny Malagasy”, hoy izy, entina hanambarany ny vina na­petrany. Tao­rian’ny fanomezana loka dia nitohy ny adihevitra ha­mahana ny olan’ny mpandraharaha.

Henintsoa Hani

Partager sur: