Tanterahina eny amin’ny foiben-toeran’ny ADMC- CRAAM Ankatso, ny 19 avrily 2023, ny resadresaka sy fifanakalozana eo amin’ny mpianatra sy ny mpahay kanto matihanina iray. Hetsika karakarain’ny mpianatra mpikambana eo anivon’ny Associatioin Des Mediateurs Culturels na ADMC. Tanjon’ny hetsika ny hanomezana tosika amin’ny alalan’ny fanoloran-kevitra sy fifampizarana amin’ny olona efa matihanina eo amin’ny haikanto iray. Ralaiheilinarivony Ange Michèle sy Ramakavelo Antsa no hitafa amin’ireo mpianatra eny amin’ny Oniversite Ankatso amin’io fotoana io, hizara sy hanoro hevitra ny tanora, indrindra ny mpianatra. Izy ireo izay mpandihy efa manana ny lazany eto Madagasikara, indrindra eo amin’ny fandihy ankehitriny. “Anisan’ ny mahatafita ary mahalasa lavitra ny sehatry ny dihy. Amin’io fotoana io, araka izany, no hanehoana amin’ny tanora fa afaka trandrahana tsara ny haikanto”, hoy ny mpikarakara.
Lin (Mpianatra asa)