Banky SG Madagasikara sy Bôndy : Karatra iray misanda hazo iray

Tandindonin-doza ny zava-mananaina eto Madagasikara satria ringana ny 44%-n’ny ala nanomboka ny taona 1950. Izay no mahatonga ny banky Société générale, SG Madaga­sikara, tsy mitsahatra mandray anjara amin’ny fambolen-kazo, hanamaitsoana ny Nosy, efa tato anatin’ny 37 taona. Na­hatratra 140.200 ny zanakazo voavoly tamina velaran-tany 66 ha, hatramin’ny taona 2022.
Hanohizana izany adidy izany, misy ny hetsika vaovao manokana hataon’ity banky ity, miara-miombon’antoka amin’ny orinasa Bôndy. San­daina ho hazo iray voavoly isaky ny mahalafo karatra banky iraisam-pirenena, midika fandraisan’anjaran’ny mpanjifa tsirairay izany. Afaka mijery, manara-maso ny hazony voavoly ny mpanjifa amin’ny alalan’ny fitaovana “géo-localisation”, manomboka amin’ny 1 mey 2023.
Mamerina ny ala honko any Mahajanga ny orinasa Bôndy ankehitriny. Miampy ny fambolen-kazo any Atsinanana, Analanjirofo, Diana, Melaky, Menabe ary toerana roa eto Analamanga. Manome asa ny mponina eny ifotony ity tetikasa ity. Miisa 1.500.000 ny zanakazo efa voavolin’ny Bôndy eto Madagasikara. Natao sonia ny 30 marsa teo ny fiaraha-miasany sy ny SG Madagasikara.

Njaka A.

Partager sur: