Nitondra fanazavana amin’ ny fahamailoana amin’ny aretina tazomoka ny dokotera Andritiana, avy amin’ny USAID Access sy ny Dr Raharilalao Nomenjanahary, misahana ny sampandraharaha miady amin’ ny tazomoka ary ny Dr Joss, avy ao amin’ny USAID.
Mamono hainga be ny aretina tazomoka raha tara ny fitsaboana. Mila porofo amin’ny alalan’ny fitiliana ny aretina. Rehefa voamarin’ny fitiliana izany vao manomboka ny fitsaboana. Atao eny amin’ny tobim-pahasalamana rehetra ny fitiliana. Eo koa ireo mpanentana ara-pahasalamana mitety tanàna afaka manao izany. Mandray an-tanana avokoa izy ireny ka tsy tokony hisalasala raha vao misy hafanana miakatra ny vatana. Ankoatra ireo, ny hopitaly rehetra, afaka manao fitiliana ny aretina tazomoka sy mandray an-tanana avy hatrany ny fitsaboana izay tokony ho maimaimpoana.
Manomboka amin’ny tazomoka tsotra ny aretina, fanaviana sy malain-komana, marary an-doha… Mivadika ho mahery vaika ny aretina raha tara ny fitsaboana ka ho tonga hatrany amin’ny fahafatesana mihitsy. Ao anatin’ny 2 andro monja dia ahina hivadika mahery vaika ny aretina ka mila mailo.
Ho an’ny zaza sy ankizy, 1 andro ihany dia hivadika zava-doza ny aretina raha tara ny fitsaboana. Haingana ny fihombon’ny aretina ho an’ireo ankizy tsy ampy sakafo sy marefo. Tsy mety mihafana ny hafanana, mifanintona mihitsy indraindray ny zaza.
Ho an’ny olon-dehibe kosa, havizanana tanteraka, marary an-doha, mandoa, malain-komana, mety tsy hahatsiaro tena ary mitarika amin’ny tsy fahampian-dra ka mila tsaboina haingana mba tsy ho tonga amin’ny fahafatesana.
Matetika ireo olona avy amin’ny faritra tsy misy tazo mandeha mankany amin’ny toerana be tazo no tratry ny aretina tazomoka mahery vaika satria tsy ampy ny hery fiarovany. Misy ny fanafody ho an’ ny aretina tazomoka eny amin’ ny tobim-pahasalamana rehetra ka tsy tokony hisalasala manatona azy ireny, hoy ireo dokotera nifarimbona nanazava izany.
Tatiana A