Filoha Rajoelina Andry : nizara traikefa tamin’ny tanora

Tafiditra amin’ny politikan’ny filoham-pirenena, nisy ny fizarana traikefa nataony tamin’ny tanora mpandraharaha, omaly. Notanterahina teny Iavoloha, ny « Malagasy Youth Business Meeting ».

Tanora mpandraharaha miisa 40 avy amina seha-pihariana rehetra no noraisin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, omaly. Nisy ny dinika an-databatra boribory nifampiresahan’ny roa tonta. Indrindra ny fizarana traikefa sy toro lalana ho an’ireo tanora mpandraharaha. Ani­san’ny nandray anjara ta­min’ny dinika, ireo tanora 9 mianadahy tafakatra tamin’ ny dingana famaranana nandritra ny fifaninana “3 2 1 pitch” nokarakarain’ny fandaharanasa nasionaly Fiha­riana.

Nandaniana ny tapak’andro manontolo ny dinikasa sy fifanakalozan-kevitra. “Matetika dia tsy misy mi­haino ary tsy hitan’ny fitondram-panjakana ny tanora mpandraharaha”, hoy ny filoham-pirenena. Tafiditra amin’izay indrindra ny lalan-tsaina namolavolana ny tetikasam-pirenena Fiha­riana, hoentina hanampiana ireo tanora malagasy mpandraharaha. “Betsaka no efa vita tao anatin’izay fotoana nijoroan’ny Fihariana izay. Fa mbola misy ny fanatsa­rana toy ny fanalalahana ireo sehatra mila fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana”, hoy hatrany ny fa­nazavany.

Nasongadiny nandritra ny fihaonana fa ny fisian’ny orinasa no mampirisika ny famoronana asa. Notohizany fa ny fananana mpandraharaha avy amina firenena iray no lakilen’ny fampandrosoana. Efa lasa lavitra amin’ ny fandaharanasa toa izany, ny ao Maorisy sy ao Séné­gal.

Mampirisika hatrany

Nampahery ireo tanora mpandraharaha nihaona ta­miny ny filoham-pirenena mba tsy ho mora kivy. “Mila manana finoana sy fitiavana ilay zavatra atao mba ha­homby”, hoy hatrany ny fampaherezana nataony.

“Mandraharaha amin’ny seha-pihariana lamba aho. Ny tena nanosika ahy dia te hivoatra amin’ny maha mpandraharaha kanefa tsy ampy ny enti-manana. Ity no nahafahako maneho ny tetikasako. Tiako ho ren’ny filoham-pirenena hoe misy ny tanora miezaka eto Mada­gasikara fa tsy mangataka fotsiny”, hoy Rakotoarisoa Aina Vololona, mpitantana ny F&A Fashion. Notohi­zany fa mitondra fampahafantarana ny orinasany ity programanasa Fihariana ity hahafahany mampandroso ny tetikasany. Hividianany milina hoentina hanitarana ny orinasany sy ny akora ilainy rehetra, hanatsarana ny asany ihany koa ny vola 10 tapitrisa Ar azo avy amin’ ity programanasa ity.

“Fotoana nahafahana namelabelatra sy nampiseho ny olana iainan’ny tanora mpandraharaha ity fotoana ity. Betsaka tokoa ny olana sendraina indrindra eo amin’ ny lafiny famatsiam-bola, fifaninanana ary ny fanafarana entana”, hoy i Dina Arison, mpitantana ny Tora Peint, orinasa malagasy misehatra amin’ny “peinture”. Nambarany fa lafo ny vidin’ ny akora hafarana, antony tsy mampiroborobo ny in­dostria eto amintsika. Tokony ho jerena, hoy hatrany ity ta­nora mpandraharaha ity, ny entana efa vita mba tsy ha­namaivanana ny indostria malagasy.

Henintsoa Hani

Partager sur: