Fitsaram-bahoaka : olona roa matin’ny tora-bato sy vely kibay

Tao anatin’ny alina iray, olona roa indray namoy ny ainy niharan’ny fitsaram-bahoaka tao Toamasina, ny faran’ny herinandro teo.

Lehilahy iray voatondro ho nangalatra tao An­kirihiry ny iray tamin’ ireo maty nodarohan’ny fokonolona, ny alin’ny sabotsy 15 avrily teo tao Toamasina. Voa­sambotra, tsy nisy alaharo ny an’ireo manodidina fa nidaroka niampy tora-bato. Niezaka niaro tena ilay lehilahy voasambotra saingy naratra mafy teo amin’ny lohany. Nisy ta­min’ireo tsara sitra-po niantso ny mpitandro filaminana. Nigadona teo an-toerana ny polisy ka naka ilay voadaroka. Naratra mafy ity farany ka tsy tana intsony ny ainy. Ankoatra io, lehilahy iray vao erotre­rony koa no maty tsy tra-drano novonoin’ny fokonolona tao amina kaominina ambanivohitra Toamasina, tamin’io fo­toana io ihany. Tsy nisy nahita ny namonoan’ny fokonolona azy. Manamafy ny fahafatesany noho ny fitsaram-bahoaka ny fanambarana voasoratra ao amin’ny tranom-paty nahitana ny razana.

Potika tanteraka ny tranom-paty

Mifandraika amin’ireo tranga ireo, anisan’ny mampitaraina ny mponina manodi­dina ny tranom-paty ao Toa­masina. “Tsy misy fikaraka­rana intsony tato ho ato ny toe­rana ka miteraka hatezerana”, hoy ny mponina mandraha­raha eo amin’ny manodidina. Eo koa ny fofona ratsy avoakan’io toerana io.
Potika tanteraka ny fitaovana anatin’io tranom-paty io. “Fatra-panaja ny razana ny Malagasy ka rariny raha ka­rakaraina io toerana io”, hoy ny mponina ao an-toerana.

Sajo

Partager sur: