Kolontsaina sy asa sosialy: hanatanteraka hetsika « Tia mizara » ny Voice for Light

Talenta, hoentina hanasoavana ny namana. Endrika iray isaloran’ny hetsika « Tia mizara » karakarain’ny Voice for Light sy ny Vondrona fototra laika ao amin’ny FJKM Ambanilalana Finoana.

Hiaraka ao anatin’ny roa andro ny kolontsaina sy ny fanatanterahana asa sosialy ho fanampiana ny mpiara-belona miaina ao anatin’ny fahasahiranana. « Tia mizara », hetsika karakarain’ny Voice for Light miaraka amin’ny Vondrona fototra laika ao amin’ny FJKM Am­banilalana Finoana. Ny 22 avrily izao eo amin’ny Kro­matik Horizon Itaosy, ma­nomboka amin’ny 3 ora tolakandro, seho hiarahana amin’ny New Called. Ny ampitson’io (alahady 23 avrily) ,eo amin’ny arabe manoloana ny FJKM Ambanilalana Finoana, amin’ny 3 ora tolakandro, fampisehoana an-tsehatra ho­tanterahin’ny tarika Tana Gos­pel Choir (TGC). Hisy ihany koa ny vahiny nasaina manokana.
Nambaran’ny mpikarakara fa « tsy hisy ny vidim-pidirana fa manentana ny rehetra hitondra izay zaka sy vita tahaka ny akanjo, lamba, rononon-jaza, « couches », « for­timel », vola, « ppn », sns, efa tsy miasa aminao intsony ka hahasoa ny hafa ». Fantatra fa izay voaangona amin’ity hetsika ity, atolotra manontolo ho an’ny ankizy sahirana taizana ao amin’ny sampan’asa Soratra Masina Sabotsy hariva, sy ho an’ireo marary ao amin’ny pejin’ny « Antso vonjy ho an’ny hafa ».
« Andao hizara, hizara fitiavana, hizara aina vaovao, hizara fifaliana. Tsarovy fa na dia izay kely vitanao amin’ ireo fotoana ireo aza dia ho tonga fahasoavana ho an’ireo ankizy sahirana sy ireo marary maro ireo. Satria, « inona no ataonareo mihoatra noho ny sasany » ? Mat. 5 : 47b », hoy hatrany ny mpikarakara ny « Tia mizara ».

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: