Lomano-Mada 2023 : “Nivaly ny ezaka, mbola lavitra anefa ny lalana”, hoy Rabejaona Holy Antsa

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny dobo filomanosana CRJS Toamasina, ny
fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja lomano, ho an’ny 50 metatra. Samy
nanome ny tsara avy aminy ny mpilomano tsirairay.

“Nivaly ny ezaka re­hetra natao, kanefa mbola lavitra ny lalana”, hoy ny nambaran-dRabejaona Holy Antsa. He­rinandro maro ny nanoma­nana ity fifaninanam-pirenena ity, izy no voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara, tamin’ny fifaninanana rehetra nataony, sokajy olon-tokana. Nahavita nanatsara ny zava-bitany i Holy Antsa tamin’ireo sokajy rehetra nifaninanany ireo. Mbola nahazo “record national” ihany koa izy, teo amin’ny 50m “papillon”. Vi­tany tao anatin’ny fe-potoana 29″25 izany. Efa nanakaiky ny “record national” kosa ny zava-bitan’i Holy Antsa, teo amin’ny 50m dos sy 50m “nage libre”. Niakatra ny lentan’ny fifaninanana. Ankoatra izay, fanatsarana zava-bita mihoatra ny 5 no azo nandritra ity fifaninanam-pirenena 2023 ity. Anisan’izany ny an’ Andrianaho Marie Ange, 400NL sokajy Benjamine. Vi­tany tao anatin’ny 5.09.19 izany raha 5.09.51 no nahavitan-dRabarijaona Murielle izany tamin’ny taona 2011. Teo amin’ ny 200m dos, sokajy junior koa, nohatsarain’i Tendrina­valona Idealy (2.32.47 ) raha 2.32.54 no nahavitan-dRazafy Elodie izany tany aloha.

Noha­tsarain-dRakotobe Tendry, SJA ihany koa ny fi­faninanana 50m dos, sokajy poussin, izay vitany tao ana­tin’ny 29.61 raha 30.25 no nahavitan’i Lalanomena izany tany aloha. Mbola ho an’izay sokajy izay hatrany fa ho an’ ny fifaninanana 200Q4, nahavita nanatsara fe-potoana i Koty (3.00.52) raha 3.01. 21 izany teo aloha. Tsiahivina, mpilomano miisa 370 avy amin’ny ligim-paritra 7 no nandray anjara tamin’ity fiadiana ny tompondakan’i Mada­gasikara ity. Hisy ny fifani­nanana hitsapana ireo mpilomano miaraka amin’ny “expatriés”, ny volana jiona izao, araka ny nambaran’ny tale teknika nasionalin’ny federasiona. Amin’io fotoana io no hitiliana izay hisolontena an’i Madagasikara amin’ny lalaon’ ny Nosy.

Mi.Raz

Partager sur: