Anatin’ny fifampitsapan-kery tanteraka ny mpanao politika malagasy, ankehitriny. Iaraha-mahita sy miaina ny kivorivory etsy sy eroa, entina mampiseho fa manana olona mpanohana. Zary hifaninanana ny serasera sy ny fandokafan-tena fa mamy hoditra amin’ny vahoaka malagasy. Toe-javatra efa mahazatra raha amin’ny vanim-potoana tahaka izao, indrindra amin’ny faramparan’ny fotoam-pitondrana ho an’ny ankilany, sy fikaotikaotiana ny mpifidy ho an’ny andaniny. Mahasodoka ery ny mahita azy rehetra samy serintseriny !
Eo indrindra anefa no tokony hitandreman’ny Malagasy, indrindra ireo manan-jo ny hisafidy ny olona homeny ny fony sy ny vatony. Iaraha-mahalala avokoa ny lalana nizoran’izy ireo, ny zava-bitany teto amin’ny firenena. Tsy misy afaka ny hihambo fa manana vahaolana mahagaga amin’ny zava-misy iainana amin’izao vanim-potoana izao. Niara-petsa sy niara-nitantana aman-taona avokoa izy rehetra.
Marina fa mety miova ny olona iray, mety mifoha amin’ny fotoana maha mety azy ny fitiavan-tanindrazana sy ny fitsinjovana ny vahoaka madinika, saingy mbola baraingo ny amin’izay. Tsy misy ny fahagagana amin’ny fanaovana politika eto Madagasikara, aloha hatramin’izao. Mbola ilay kajikajim-pahefana no betsaka. Tsy mahagaga, samy variana amin’ny adilahy daholo fa tsy mbola hita mivantana ny vahaolana azo tsapain-tanana.
Tsikaritra etsy sy eroa ny kobaka am-bava ataon’ny mpanao politika galifantsy. Ny fampandriana adrisa sy ny fita-bitro madinidinika, mampiesona ny valalabemandry. Samy mametraka drafitra, hidirana anaty fitondrana sy hifampizarana ny masaka ho an’olom-bitsy sy ny mpiray tarika ihany. Tsy mahagaga ny mahita fa tsy misy afa-tsy ny namany, ny sakaiza mahatokiny, ary efa mpiara-miombon’antoka aminy ihany no mifampitaritarika etsy sy eroa.
Inona ary no azo atao ? Tsy misy, hoy raolombelona manana fijery miiba sy ilay efa very fanantenana tanteraka ! Diso anefa izany, mbola misy ny lalana azo izorana. Ny fahatsapan-tenan’ny tsirairay hiala amin’ny maty an-kaninkely. Tsy ho mora ambakain’ny mpanao politika efa lo amin-javatra mandalo sy tsy maharitra akory.
Tsy ampy ny fanentanana ataon’ny olona tsara sitra-po ialana amin’ny tsy mety, fa mitaky finiavana. Miainga amin’ny isam-batanolona sy isan-tokantrano ny zava-drehetra. Takiana ny fahatsapan-tenan’ny olom-pirenena tsirairay avy, vonona hiala amin’ny fahazaran-dratsy, tsy zatra toloram-potsiny sy miandry mahazo. Io fahalemena iray io no nanazarana hatrizay, mba hahafahana manindry andro aman’alina. Ka izay no tsy maintsy hamohazana ny masom-panahy. Mila miala amin’ny fomba nahazatra izay efa hita ny naharatsy azy. Mila mijoro ny Malagasy, sahy manao fanamby amin’ny tenany mihitsy aloha ! Miala amin’ny fiankinan-doha diso toerana, tsy mendrika azy akory.
r.r