Ankaotra ireo ekipa efatra, toa ny Fosa Junior, Cosfa, Elgeco, CFFA, tafita hiatrika ny “Play off” amin’ny fifaninanam-pirenena “Orange Pro League” (OPL), taranja baolina kitra, ihany koa ny AS Fanalamanga. Araka izany, miisa dimy ireo ekipa tafita amin’ity dingana manaraka ity hatramin’izao. Tsiahivina fa nanao ady sahala tamin’ny Uscafoot izy ireo ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny kianjan’Alarobia.
Miampy iray, araka izany, ny solontenan’ny kaonferansy avaratra, raha ny ekipan’ny Fosa sy ny Cosfa no efa tafita voalohany tao anatin’ity vondrona ity. Mbola hiady ny tapakila fahetra ho an’ny kaonferansy avaratra, ny Uscafoot sy ny Ajesaia Bongolava. Ny ekipan’Antanikatsaka no tsara toerana, manana isa 19 izy ireo ary mitana ny laharana fahefatra, aorian’izy ireo ny mpilalaon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, isa 16.
Fitia (Mpianatra asa)