Zon’olombelona fototra ny fisitrahana rano madio fisotro. 43%-n’ny mponina eto Madagasikara no misitraka rano madio fisotro, raha ny tatitra navoakan’ny minisiteran’ny Rano, fidiovana sy fanadiovana, tamin’ny 2015. “Anisan’ny antony mahatonga izany ny tsy fahampian’ny mpikirakira ny asa fikojakojana ny fotodrafitrasa”, hoy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Rano, fidiovana sy fanadiovana, Razaivao Vololoniaina Diamondra. Antony iray nanaovana ny atrikasam-pirenena miompana amin’ ny fampitahana sy fampifandraisana ny fiofanana amin’ny filàna mahakasika ny fisotroana rano madio, etsy amin’ ny Motel Anosy.
Nilaza izy fa anisan’ny toko telo tsy azo sarahina ny loharano sy ireo mpisehatra mikirakira ny asa ary ny fotodrafitrasa. “Tsy maintsy kolokoloina ireo raha tiana ny hahazo rano madio fisotro”, hoy izy. Olana mbola misy eto amin’ny Nosy matetika ny tsy fahampian’ny mpikirakira ny asa. Toy ny tsy fisian’ny teknisianina manamboatra sy mikojakoja ny fotodrafitrasa. Hamafisina mandritra izao atrikasa izao ny fahaiza-manao sy fandrindrana ny asa rehetra eo amin’ny tontolon’ ny rano madio fisotro.
“Zava-dehibe indrindra ny fampiofanana toy izao satria manamafy ny fahaiza-manaon’ ny mpisehatra izany”, hoy hatrany izy. Nilaza izy fa misy fiantraikany lehibe any amin’ ny vahoaka ny fiofanana sy fampiharana izany. Anisan’ny mandray anjara betsaka amin’ ny fiovana haingana eto amin’ ny Nosy izany.
Tsiahivina fa nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, tetsy Anosy, ny atrikasa, maharitra 2 andro. Nokarakarain’ny minisiteran’ny Rano sy ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ary ny ONG Ran’Eau. Nampitondraina ny lohahevitra hoe: fampiroboroboana ny lalam-piofanana mikasika ny rano eto Madagasikara. Tanjona ny hifanantonan’ny filàna hisitraka rano madio fisotro sy ny fampianarana ambony, raha ny nambaran’ny tomponandraikitra. Nisitraka fampiofanana nandritra izany ireo mpisehatra rehetra mikasika ny tontolon’ny rano.
Mino( mpianatra asa)