Razanamahasoa Christina: malahelo amin’ny fifampihantsiana politika

Tena efa tafahoatra ka tsy afaka ny hangina intsony! Tsy mankasitraka ny lahateny fihantsiana nahazo laka tato ho ato ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Chirstine.

Notsiahiviny ny toromarika avy amin’ny filohan’ny Repoblika. “Fo­toana izao hanomezana vahana ny fitoniana… “, hoy izy tany Ambositra, ny sabotsy teo. Nanteriny fa tokony lahateny mivoy ho any amin’ny filaminana sy ny fampiraisana no hatao, amin’izao fo­toana mampiakatra ny maripana politika izao. Notsin­driny fa tokony samy haneho izany na ireo mpomba na mpanara-dia ny fitondrana na ireo avy eo anivon’ny fanoherana.
Anisan’ny tsy levon’ny vavoniny ny lahateny fihantsiana fanavahana, nataon’ny namany, eo anivon’ny IRD, ny depiote Rahelihanta Maxime tany Sava, ny herinandro teo.
Etsy andaniny, niaiky ny tenany fa tena misy ireo depiote mihoa-pefy amin’ireo mpanohana sy miara-dia amin’ny fitondrana. Anisan’izany ireo depiote tanalahy, namadika palitao ka manohana sy miara-dalana amin’ny kandidà iray ho filoham-pirenena. Na izany aza, niantso ny tokony hanajana ny fitsipika mifehy ny IRD ny tenany.
Depiote IRD nisintaka
Aoka koa hahatsapa tena ireo nisintaka fa efa tsy anisan’ny manohana izao fitondrana izao intsony, araka ny nambarany. Tsiahivina fa anisan’ny nambaran’ny filohan’ny Antenimiera, tany Ambositra ny nangatahany ny hirotsahan’ny filohan’ny Repoblika ho kandidà indray. “Mirosoa ia­nao fa aza miamboho anay ary mirotsaha”, hoy izy. Notsiahiviny fa efa niaraka tany an-toerana ny tenany sy ny filoha Rajoelina fony tolon’ny taona 2009. Nanafatra ireo depiote namany ny filohan’ny Antenimiera mba hanana faharetana tahaka azy, nandritra ny taona maro. Misy ireo tsy manana faharetana ka lasa vadin’Ikotokely. Tsy va­din’Ikotokely no ilainay fa vadin’andriana, araka ny nam­barany. “Tsarao izahay… Miray hina izahay depiote ary manohana anao. Io no antsika ary mora amidy. Manaova ta­ha­ka ny zanaka adala isika, mody amin’ny baba sy neny”, hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: