Repoblika Islamikan’i Iran : hanampy amin’ny fiarovana ny fari-dranomasina

Nandray ny masoivohon’ny Repoblika Islamikan’i Iran miasa sy monina eto Madagasikara, Hassan Ali Bakhshi ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotoarijaona Josoa, omaly, teny Ampahibe. Nisy fanaovana tombana ny fiaraha-miasa efa nisy nandritra ny taona maro sy ireo fifanarahana mbola azo tanterahina. “Mbola vitsy ny fiaraha-miasa misy eo amin’ny firenena roa tonta ka nisy ny fandinihana io lafiny io mba hahafahana manitatra izany”, hoy ny MDN. Singanina amin’izany ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana. Nohamafisin’ny masoivohon’ny firenena iraniana kosa fa i Mada­gasikara sy Iran dia efa ela no mpinamana, raha ny tantara no jerena. Isan’ireo mpiray vodirindrina ao amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina ihany koa. Voaresaka nandritra ity fihaonana ity, araka izany, ny hijerena ny fanamafisana ny fiarovana ny fari-dranomasina iraisana sy ny fanaraha-maso izany mba hi­sian’ny fandriampahalemana an-dranomasina. Nankasitraka ny MDN koa ity masoivoho ity tamin’ny fandraisana sy ny fahafahana nifampiresaka amin’ny hanatsarana hatrany ny fiaraha-miasa. Marihina fa samy mpikambana ao anatin’ny fikambanana rejioanaly aty amin’ny fari-dranomasin’ny ranomasimbe In­dianina i Iran sy i Madagasikara izay ahitana ny Commission de l’Océan Indien na (COI) sy ny Indian Ocean Rim Association na IORA ka anton’izao fihaonana izao.

Jean Claude

Partager sur: