Tafiditra ao anatin’ireo 25 « leaders africains » eto amin’ ny kaontinanta afrikanina Rabarinirinarison Hasimbelo, minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, taorian’ilay “spring meetings”, natao tany Washington, ny 13 avrily lasa teo. Nandritra izay, voatendry ho « meilleurs leaders africains de la finance » ny tenany. Nandritra ireo fivoriam-be natao, mbola Ramatoa minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola malagasy ihany koa no notendren’ireo firenena afrikanina namany nitondra ny teny fisaorana. Nanana ny politika nentina nampandrosoana ny toekarena izy ka voasokajy ho anisan’ireo 25 “leaders africains”. Tsiahivina fa maro ny lohahevitra noresahana nandritra ireo fotoan-dehibe . Ary Sambany ihany koa i Madagasikara no nandray anjara tamin’ireo lohahevitra enina noresahana. Mbola any Washington moa Ramatoa minisitra sy ny governoran’ny Banky foiben’i Madagasikara hiatrika ny fivoriana miaraka amin’ny fikambanan’ny Banky iraisam-pirenena sy ny FMI.
Henintsoa H.