Tantsaha any Mananara Avaratra: “Omeo fahazoan-dalana ireo mpisehatra lavanila”

Anisan’ny miandrandra ny hanomezana ny fahazoan-dalana “Agrément” ireo mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny lavanila, miaraka amin’ireo tantsaha mpamokatra. Naneho ny heviny ny solontenan’ny tantsaha any Mananara Avaratra.

Nambaran’ i Velo Rosalin fa tsy tena mivaha ny olan’ ity seha-pihariana ity na teo aza ny fanapahan-kevitry ny fanjakana. Anisan’izany ny fanalalahana. “Takinay ny fanome­zana ny “Agrément” ireo mpanangom-bokatra miara-miasa aminay tantsaha ka afaka mividy ireo lavanila. Anisan’ny vahao­lana izany”, hoy izy. Anisan’ izany ny Sun Resources any an-toerana. Nampikatso ka tsy nahatafavoaka ny vokatra ny tsy nahazoan’ny ankamaroan’ireo orinasa lehibe ny fahazoan-dalana ahafahana manangona sy manondrana izany any ivelany, araka ny nambarany. Teo koa ireo niharan’ny antsojay amin’ny tsy fanomezana izany “Agrément” izany. Nana­mafy ny fitakian’ireo tantsaha ny avy amin’ny Sun Resources, Senta Hellidence.

Tsy afaka manondrana ireo lavanila an-taoniny maro…

Miandrandra ny fahazoan-dalana ahafahana manondrana ireo mpandraharaha maro any an-toerana. “An-taoniny maro ireo vokatra lavanila voaray avy amin’ ireo tantsaha saingy tsy afaka ma­nondrana izany izahay noho ny tsy nahazoanay ny “Agrément” “, hoy izy.
Nanangana fikambanana “Welfare cooperative”, misy mpikambana maherin’ny 600 ao Sandrakatsy, any an-toerana izy ireo ka mifandray amin’ireo mpamboly lavanila. Nisitraka tombontsoa maro ireo tantsaha amin’izany. Eo ny fampitaovana, ny fizarana vary, ny asa sosialy, ny fandoavana vola mialoha “Avance” ho an’ireo mponina any an-toe­rana. Miangavy ny fanjakana ireo tantsaha sy ny avy amin’ny ori­nasa mba hijery sy hanome ny “Agrément” fa mamelona tantsaha maro ary manampy ny toekarena izany.

Synèse R.

Partager sur: