Taorian’ny fandalovan’ny rivodoza roa nisesy: tokantrano maherin’ny 21.000 isa nahazo 120.000Ar

Nanome fanampiana an’ireo tokantrano lasibatry ny rivodoza indroa nisesy teto Madagasikara ny FID mba hanarenany indray ny lafiny sosialy sy toekarena. Natao izany mba hahafahany manohy ny asa fivelomany andavanandro.

Nitondra fiantraikany betsaka teto amin’ny firenena ireo rivodoza, Cheneso sy Freddy, nandalo teto Madagasikara tamin’ny voalohan’ny taona. Betsaka ny fotodrafitrasa potika ary niantraika betsaka tamin’ny lafiny sosialy sy ny toekaren’ ny tokantrano maro anisa izany. Maro ireo tokantrano tsy afa-nanohy intsony ny asa fivelomany. Nisy ny fandraisana an-tanana nataon’ ny BNGRC sy ny “fonds d’intervention pour le développement” (FID) hanampiana ireo marefo tamina faritra maro. Toy ny teto Analamanga, Analanjirofo , Boeny, Sofia, Menabe, Vato­vavy, Fitovinany. Nahazo tombontsoa tamin’izay koa ny avy ao Atsimo Atsina­nana, Betsiboka, Atsimo Andre­fana, Ihorombe, Androy sy Itasy ary ny faritra SAVA. Natao izany mba hiverenany haingana amin’ny fiainany andavanandro sy hamorona asa hatao ho azy ireo. Araka izany, tokantrano maherin’ ny 21.000 isa no nahazo tom­bontsoa amin’ny asa karamaina na ACT. Tanterahina ao anatin’ny 20 andro ireo asa madinika atao, izay handraisan-karama 120.000Ar. Ankehitriny, fotodrafitrasa 141 no efa andalam-pamaranana ary vinavinaina ho vita tanteraka ny volana mey izao. Tao anatin’izany, nisy ny dinika natao niaraka ta­min’ireo tompon’andraikitra samihafa any an-toerana. No­jerena tamin’izay ny filana sy ny karazan’asa natao ho an’ny mponina.

Manampy
Nanavotra voka-bary tany an-toerana ny fanamborana lakandrano tao amin’ny fo­kontany ambanivohitr’i Ma­ro­voay. Nisy ihany koa ny tohodrano natao tao Anosinalai­no­lona hiarovana ny tanimbary tsy ho tondraka. Ankoatra izay, nisy ny fanarenana ny lalana sy ireo lalankely mandeha amin’ireo toerana lavitra. Andanin’izay, niompana betsaka tamin’ny famerenana ny asa fambolena potiky ny rivodoza ny asa tany amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Voato­nona anatin’izany ny tao Mo­rombe, Toliara II sy Sakaraha ary Betioky. “Ny tanjonay dia ny hanampy ny tokantrano hanohy ny voliny mba hiarovana sy hanavotana ny vokatra saika simba tamin’ity taom-pambolena ity. Ary koa ny loza ateraky ny kere”, hoy ny fanazavan-dRazakatoanina Achille Harifidy, tale misahana ny hetsika aorian’ny krizy, ny fiarovana sy ny fanampiana eo anivon’ny FID. Etsy ankilany, misy ny fampitana vola ho an’ireo tokantrano manodidina ny 11.600 eo ho eo any amin’ny faritra Sofia, Boeny, ary Vatovavy. Tafiditra indrindra ao anatin’ny tetikasa fiarovana ny lafiny sosialy izay tanterahin’ny FID izany. Eo ambaniny fiahian’ny minisiteran’ny Mponina, ny fiarovana ara-tsosialy ary ny fampivoarana ny vehivavy, ireo hetsika ireo. Tanjona amin’izany ny hiarovana ny fianakaviana marefo lasibatry ny loza voajanahary sy ny Covid-19. Ao ihany koa ny fanampiana ara-toekarena azy ireo.

Henintsoa Hani

Partager sur: