Tsatoka antsy : roa lahy voaendaka, voatrobaka ny kibony

Naratra mafy notsatohan’ny jiolahy antsy ireo olona voalaza avy nijery fampisehoana teny Analakely, afakomaly hariva. Mody eny Ano­sipatrana izy roa lahy ireto, saingy niala tamin’ny taxi-be teo Andavamamba no narahan’ny jiolahy telo avy aoriana. Teo amin’ny lalana pavé mivoaka eo amin’ny fiangonana iray eo Andavamamba no nanaovan’ireo olon-dratsy ny asa ratsiny. Nalatsak’izy telo lahy afovoany izy roa lahy. Ny iray manakona avy eo aloha raha nangarom-paosy sy nisintona ny kitapo teny am-babena ny roa lahy avy aoriana. Efa tamin’ny 9 ora sy 30 mn alina tamin’io fotoana io, efa tsy nisy olona nandeha intsony tamin’iny lalana iny ka nanampatra ry zalahy. Lasa ny kipato nisy akanjo niaraka tamin’ny finday roa sy vola 60 000 Ar. Niezaka nanohitra ireo olon-dratsy ihany ireo roa lahy niharan’ny fanendahana saingy tsy afa-nanoatra manoloana ny antsy lavalela teny am-pelatanan’ireo jiolahy. Voka­ny, voatsindrona antsy teo amin’ny takibany izy roa lahy. Voalaza fa ny iray tena voa mafy satria nilentika lalina ny lohan’antsy raha nisolifatra ihany ny nahazo ilay faharoa. Lasa nitsoaka avy hatrany kosa ireo nahavanon-doza taorian’izay. Afaka niantso vonjy tamin’ireo olona teny amin’ny manodidina ihany anefa izy roa lahy ka nentina haingana namonjy hopitaly. Ny iray efa afa-nody raha mbola manaraka fitsaboana kosa ny iray. Mbola nohamafisin’ireo olona mpandalo sy mponina eny amin’iny faritra Andavamamba iny fa mirongatra izaitsizy ny tsy fandriampahalemana eny an-toerana amin’izao fotoana izao. Misy ihany anefa ny ezaka ataon’ny polisy amin’ny famongorana ireo jiolahy (ankoatra ireo efa tratra), saingy manana ny paikadiny koa ireo olon-dratsy ka amin’ny fotoana tsy andalovan’ny polisy manao fisafoana izy ireo no manao ny ataony.

J.C

Partager sur: