Ny faran’ny herinandro teo, namoaka ny tetiandro hivoahan’ny vatsim-pianarana mandritra ny 5 volana sy ny fampitaovana ho an’ny taom-pianarana 2022-2023 ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa.
Samy manana ny tetiandro hamoahana izany ny oniversite rehetra toy ny eto Antananarivo, Toamasina, Toliara, Mahajanga ary Atsinanana sy Fianarantsoa.
Hanomboka amin’ny 21 avrily izao ny fizarana izany ho an’ny oniversiten’Antananarivo ary hiitatra hatrany amin’ ny volana mey sy jona.
Hiantomboka ny 27 avrily kosa ny fizarana ho an’ny oniversite any amin’ny faritra ary efa maty paika ny rindran-damina isaky ny departemanta.
Mafimafy ny fitakiana nataon’ny mpianatra tamin’ ireo oniversite, saika manerana ny Nosy, ka izao nivoaka izao ihany ny tetiandro. Mbola ela amin’ny mpianatra anefa ny volana jona, ho an’ireo tafiditra ao anatin’io fotoana io. Tokony ho efa vatsim-pianarana 7 volana no aloa amin’ izany volana jona izany fa tsy 5 volana, raha ny fitarainan’ny mpianatra.
Araka ny fanazavan’ny eo anivon’ny minisitera dia ny fanisana ireo mpianatra no nandrasana ka nilana fandaminana ary izay no nahatonga ny fahatarana.
Tatiana A