Nifanehatra tamin’ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany faharoa (CSP2) Ambohijatovo teny Avaratra Ankatso, omaly, ny jiolahy iray malaza ratsy
amin’ny halatra moto. Nahazo fitarainana sy fitoriana avy amin’ireo olona mipetraka eny amin’ny manodidina an’Avaratra Ankatso ny polisy, nampahafantatra ny fahaverezana moto iray. Nandeha ny fikarohana nataon’ny polisy momba izany ka fantatra fa lehilahy iray “mécanicien” monina eny an-toerana no nangalatra ity moto ity. Nanao ny vela-pandrika ny polisy mba hanatrarana ity olon-dratsy ity. Tratra tao an-tranony tokoa izy, omaly, niaraka tamin’ilay moto halatra ka nentina nihazo ny biraon’ny polisy avy hatrany. Maro ny moto halatra efa azon’ity jiolahy ity, araka ny fanazavany nandritra ny famotoran’ny polisy.
J.C