Basikety – «  Mibala Tournament » : nisongadina ny fandresen’ny DEGS Ankatso

Notanterahina omaly, teny amin’ny kianjan’ny Palais de Sport sy ny Gymnase couvert Mahamasina ny andro fahatelo, fifaninanana basikety “Mibala Tournament”, ho an’ ny mpianatry ny Oniversite eto amintsika. Naneho ny mahasangany azy ny DEGS Ankatso. Nomontsanin’izy ireo, tamin’ny isa mavesatra 96 no ho 34, ny Iscam. Fifanandrinana natao tao amin’ny Gymnase Mahamasina.
Nahoraka ny fandresen’ireto mpianatra avy eny Ankatso ireto. Tsiahivina fa sekoly manana ny lanjany amin’ny taranja basikety ny DEGS, anisan’ireo mpianatra novolavolaina tao Rabari­joelina Kiady, kapitenin’ny ekipam-pirenena sokajy zandriny U -16, ny taona 2013 sy U 18 ny 2014. Marihina fa hotanterahina ny alahady ho avy izao ny lalao famaranan’ny “Mibala Tournament”.

Fitia (Mpianatra asa)

Ireo Voka-dalao rehetra omaly :

Lehilahy :
CNAM (38) vs (39) L.Etrangère
ISPM (54) vs (40) Cntemad
Cnela (47) vs (62) IUM
Aceem (70) vs (51) ESCM
Degs (96) vs (34) Iscam

Vehivavy :
Essca (55) vs (26) Medecine
ESSA (19) vs (25) IUM
Esmia (45) vs (29) Iscam

Partager sur: