Boky sy vakinteny : andiany faha-4 ny « Lire en Fête »

Taona 2019, notanterahina voalohany tao amin’ny Al­liance Française Anta­na­narivo (AFT), etsy Andavamamba ny hetsika momba ny boky sy ny vakiteny « Lire en Fête ». Hotanterahina ny 22 avrily ka hatramin’ny 29 avrily izao ny andiany faha-4. Napetraka ho laharam-pahamehana sady lohahevitra rahateo ny : « Fi­sokafana ho any amin’ny tontolo tsara hatrany ».
Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny fampirantiana ahitana boky 30 isa maro mpamaky indrindra ao amin’ny trano famakiam-bo­kin’ny AFT Andava­ma­mba. Fitantarana angano miaraka amin’i Ny Eja. Atrikasa mom­ba ny tantara an-tsary hotanterahin’i R-Raly. Fande­fasana sinema. Tsenabe ahitana boky aman-jatony, sns.
Ho an’ity andiany faha-4 ity, hanana endrika fifaninanana ny fifanakalozan-kevitra momba ny tontolon’ny boky sy ny vakiteny ho an’ny mpianatry ny lisea. Hisy ihany koa natokana ho an’ny olona 16 taona no ho miakatra. Ho an’ireo liana amin’ny « Lire en Fête » kanefa tsy ho afaka ho eny Andavamamba, hampiasa ny fiara AF Mobile ny mpikarakara. Ahitana izany ny eo anoloan’ny kianja Barea Imahamasina, ny marainan’ny 22 avrily, eny amin’ny CEG Nanisana kosa ny 26 avrily.
Ho an’ity andiany faha-4 ity, somary nomena vahana kokoa ny ankizy sy ny tanora. Ny 22 avrily, fandraisan’anjaran’ny ankizy 3 taona ka hatramin’ny 8 taona. Hi­fam­pitantara ny momba azy izy ireo mandritra ny « Tantarao ahy ny tantaranao ». Ny 26 avrily maraina, fifaninanana « ludo géant » ho an’ny tanora 14 taona no ho miakatra.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: