Fahafatesana olona saika hihazo an’i Mayotte… : naiditra am-ponja ny mpanamory sambo sy olona roa hafa

Nidoboka am-ponja, afakomaly, ireo olona telo hafa voarohirohy ho anisan’ny tompon’antoka tamin’ny fa­harendrehan’ny sambo tany amin’iny faritra Ambilobe iny. Anisan’ireo voarohirohy tamin’izany ny mpivady nampiantrano nanafina sady niray tsikombakomba tamin’ity raharaha ity. Ny 14 avrily 2023 no tratra tao Tsarabia Vohémar ireto mpivady tompon’antoka tamin’ny fitate­rana an-tsokosoko ireo olona ho any Mayotte ka nitarika famoizana ain’olona marobe, ny alin’ny 11 marsa 2023, tao Ambilobe. Nanamafy ny zandary fa tany tan-dalàna isika ka tsy maintsy misy ny fandraisana andraikitra amin’ireo olona minia mandika izany. Vokany, naiditra am-ponja ireo voarohirohy tamin’izany. Nanao ny fikarohana lalina
ny zandary ka tratra tao Anaborano Ifasy koa ny mpanamorin’ilay sambo izay sady mpiara-nanomana ny fitaomana ireo olona namoy ny ainy ireo. Olona maherin’ny 30 no namoy ny ainy tamin’iny loza an-dranomasina iny.

J.C

Partager sur: