Fampiroboroboana ny jono: hamafisina ny paikady sy ny lafiny teknika

Miainga avy any ifotony miaraka amin’ireo pitsopitsony samihafa izay handraisan’ny rehetra anjara ny fampandrosoana ny jono eto Madagasikara. Misy ny paikady manokana dinihina hana­tsarana izany.

Fananana paikady mirindra izay handraisan’ny rehetra anjara hanatsarana ny jono eto Madagasikara. Io no tanjona napetraky ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga, mandritra ny atrikasa atao etsy Ankorond­rana. Maharitra roa andro ity atrikasa ity, izay nanomboka omaly. Dinihina amin’izany ny fomba hahafahana mijery ireo pitsopitsony ara-teknika rehetra mahakasika ny paikady hampiroboroboana ny toekarena manga eto amintsika. Voakasika amin’izany ny minisitera maro, ny fiarahamonim-pirenena, ny mpisehatra miankina sy tsy miankina hatrany ifotony, natrehan’ny mpanohana ara-bola. Tanjona ny mba hitondran’ny tsirairay ny anjara birikiny hanatsarana sy hametrahana izany paikady izany. Miainga amin’izay to­koa mantsy ny asa hatao, in­drindra ny drafitrasa haroso ho an’ireo mpamatsy vola. Mbo­la ity paikady ity koa no hahafahana mametraka ny fepetra sy lalana tokony harahina.

Fiofanana
Ankilan’izay, mampanao fiofanana momba ny famokarana maharitra ny jono madinika ihany koa ny JICA, ho an’ny firenena afrikanina. Mitondra ny lohateny «Sus­tainable small scale fisheries for blue economy», na Fam­pamokarana maharitra ho an’ny jono madinika eo amin’ ny toekarena manga. Naha­ritra dimy herinandro, nanomboka ny 15 marsa teo izany, nifarana omaly 18 avrily. Anisan’ireo nandray anjara tamin’ity fiofanana ity ny solontenan’ny minisiteran’ny Jono. Nampiofanina nandritra ireo dimy herinandro ireo ny karazana teknika fanjonoana maro toy ny fitrandrahana sy fampiroboroboana ny fiompiana an-dranomasina. Nam­pahafantarina tamin’izay koa ny fomba fanodinana sy fitehirizana vokatra hazandrano nentim-paharazana nohavaozina. Teo ihany koa ireo traikefa momba ny fitantanana miaraka izay tena voizin’ny Japoney ka mampaharitra ny fitantanana ireo harena anaty rano misy ao an-toerana hatramin’izao.

Henintsoa Hani

Partager sur: