Fivezivezen’ny kamiao : hentitra amin’ny fanajana ora ny CUA

Nanao fampahatsiahivana ny kaominina Antananarivo Renivohitra mikasika ny ora fivezivezen’ny fiara vaventy na ny kamiao anaty tanàna. Araka ny voafaritry ny Arrêté interministeriel N°11350/ 2015 dia mazava tsara ary efa fantatr’ireo mpampiasa ireny kamiao ireny ny ora fivezivezena.
Ho an’ireo fiara vaventy mihoatra ny 16 taonina (PTAC), voafetra amin’ny 9 ora alina ka hatramin’ny 5 ora maraina ny fandehanany mi­ditra an-tanàna. Iharan’ny sazy ireo minia mandika izany.
Miteraka fitohanan’ny fi­famoivoizana ary mety hitera-doza ny fandehanan’izy ireny amin’ny antoandro maha betsaka ny olona mivezivezy. Malalaka kosa ny lalana amin’io fotoana hahafahany mandeha io ka manafaingana ny asa tanterahan’izy ireny izany.
Ho an’ireo fiara vaventy latsaky ny 16 taonina (PTAC), manomboka amin’ny 9 ora maraina hatramin’ny 11 ora antoandro sy amin’ny 1 ora ka hatramin’ny 3 ora tolakandro ary amin’ny 9 ora alina hatramin’ny 5 ora maraina ny fivezivezeny
Tsy voakasik’ity fepetra ity kosa ny fiara mpitondra solika sy ny fiaran’ny Jirama, izay manao ny asany ho an’ny tombontsoa iombonan’ny va­hoakan’Antananarivo rahateo.

Tatiana A

Partager sur: