Halatra gisa : vehivavy saika matin’ny fitsaram-bahoaka

Tsy mifidy intsony! Mi­rongatra hatrany ny tsy fandriampahalemana tato ho ato, indrindra amin’iny faritr’ Ampangabe sy ny manodidina iny. Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Ampangabe, omaly, ny vehivay iray tratra nangalatra gisa. Efa saika niharan’ny fitsaram-bahoaka izy, noho ny hatezeran’ny olona, saingy tonga ara-potoana ny zandary naka azy ka voasoroka mialoha ny fikasana saika hataon’ny olona. Nohamafisin’ny tatitra nampitain’ny zandary hatrany fa efa narahi-maso hatry ny ela ity vehivavy voarohirohy ity. Voalazan’ireo mponina eny an-toerana fa isaky ny mandalo izy, tapitra manjavona avokoa ny akoho amam-borona rehetra na akoho na gisa na dokotra. Nandritra ny famotorana azy no nahafantarana fa tsy vao izao izy no manao ity asa ratsy ity fa efa hatry ny ela saingy izao tratra izao ihany. Efa misy olona mpandray ireo akoho amam-borona halatra ireo, raha ny fanazavany hatrany.

J.C

Partager sur: