Hatramin’ny omaly hariva, atao fanadihadiana eny anivon’ny mpitandro filaminana ireo olona fito mpiasa ao amin’ny “Trésorerie Principale” Ambalavao. Voasaringotra amin’ny raharaha nahavery ny vola 400 tapitrisa Ar izy ireo. Ny alatsinainy teo, voamarin’ny tomponandraikitry ny filaminana ao an-toerana fa tsy hita tao amin’ny fitoeram-bola io vola mitetina 400 tapitrisa Ar io. “Vola vao tonga tao amin’izy ireo io vola io araka ny loharanom-baovao”, hoy ny fanazavan’ny lehiben’ny vondron-tobim-paritra Ambalavao, omaly. Ahiana ho nalaina tao amin’io fitoerany io ny faran’ny herinandro teo ny vola. “Very tamin’ny andron’ny zoma na sabotsy na alahady io vola io”, hoy ny zandary. Ny alatsinainy anefa izany vao nisy nahatsikaritra. Niroso tamin’ny fanadihadina avy hatrany ny tomponandraikitry ny filaminana. Vokany, olona fito mianadahy izay mpiasa ao amin’io toerana io no notanana hatao fanadihadiana eny anivon’ny polisy. Andrasana ny tohin’ny raharaha.
Tsy vaky ny varavarana sy ny fitoeram-bola
Amin’ny maha volam-panjakana azy, kasaina handoavana ny karaman’ny mpiasam-panjakana ao an-toerana io lelavola tsy hita popoka io. Nandritra ny famotorana nataon’ny mpitandro filaminana, tsy vaky ny trano ary tsy nisy marika nahafantarana fa nitrangana fangalarana ny toerana nisy ny vola. “Tsy vaky ny varavarana ary tsy vaky ny fitoeram-bola saingy tsy nisy tao intsony ireo vola ireo”, hoy hatrany ny fanamafisan’ny lehiben’ny zandary ao amin’ny vondron-tobim-paritra Ambalavao.
Manoloana ity tranga ity, miandry am-pitoniana ny fizotry ny fanadihadiana ireo mpiasam-panjakana ao an-toerana.
Tsiferana Randriatiana