Rakotondrabe Romuald Felix, voafidy hitondra indray ny Barea mandritra ny lalaon’ny Nosy, JIOI 2023, izay hatao eto amintsika ny volana aogositra ho avy izao. Araka ny tapaka nandritra ny fivoriana nataon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) teny Isoraka, omaly, i Theodore Béatrice no hanazatra ny ekipam-pirenena vehivavy amin’io JIOI 2023 io, raha toa ka Andriamahery Boris, ny an’ny Beach soccer.
Tsiahivina fa mpanazatra nitondra avo ny ekipam-pirenena malagasy nandritra ny Chan Algerie 2022, i Rôrô, ary efa nitondra ny Barea JIOI, ny taona 2019. Ankoatra izay, i Aboudou Amada no voatendry hanazatra ny ekipa malagasy amin’ny fifaninanana Cosafa U20 sy ny lalaon’ny firenena miteny frantsay na “Jeux de la Francophonie”. Tsiahivina fa tsy mpanazatra ny ekipam-pirenentsika intsony i Nicolas Dupuis, ary nilaza ny FMF fa efa ho fantatra afaka fotoana vitsy ny anaran’ilay teknisianina vaovao.
Fitia (Mpianatra asa)