Madagascar Airlines : hampiroborobo ny sehatry ny fizahantany

Nanao sidina nanomboka, omaly, teto amin’ny lanitry ny Nosintsika ny Madagascar Airlines rehefa nahazo ny taratasy fankatoavana avy amin’ny “Aviation civile de Madagascar” (ACM). Afako­maly alina, nisy ny fanambarana nataon’ity kaompania ity momba ireo fepetra sy ny dingana rehetra nataony. Anke­hitriny, vonona ny hampiroborobo indray ny sehatry ny fizahantany sy ny sidina eto amin’ny lanitr’i Madagasi­kara ny kaompania. “Hisy ny sidina any amin’ny faritra sy amin’ireo seranam-piaramanidina miisa valo eto amin’ny Nosy. Ankoatra izay, hisy ihany koa ny sidina any amn’ny Nosy Maorisy, La Réunion, sy Kenya ary Frantsa hana­tsarana ny tolotra homena an’ireo mpanjifa”, hoy ny fanazavan’i Thierry de Bail­leul, tale jeneralin’ity kaompania ity, omaly, tetsy Ana­lakely nandritra ny fihaonany tamin’ireo mpanao gazety. Notohizany fa ATR miisa enina hatramin’izao no hiasa hanao ireo sidina madinika sy any amin’ireo faritra eto an-toerana. Ho tonga mialohan’ny 26 jona izao kosa ny fiaramanidina hafa hanamafy ny sidina mandeha any ivelany. Etsy ankilany, mbola hisy ny fiaramadina hafa hiara-hiasa amin’ity kaompania ity, hoy hatrany ny fanazavana voaray. Hanova indray ny sehatry ny sidina ny Madagascar Air­lines. Ankoatra ireo tolotra omeny, mampanantena ity kaompania ity fa lafatra ny kalitao atolony. Ary ho za­kan’ny fahefan’ny maro ihany koa ny tolo-bidy omeny. Mizaka tena ny Madagascar Airlines ka tsy mena-mitaha ny tolotra amin’ireo hafa ny tolotra omeny ary hanome fahafaham-po ireo mpanjifa no tanjona napetrany.

Henintsoa H.

Partager sur: