Naiditra am-ponja ry Jajabiby: jiolahy raindahiny, mpampihorohoro !

Naiditra am-ponja vonjimaika ao Ambalatavoahangy ry Jajabiby sy ny namany. Voalaza, ho isan’ny jiolahy raindahiny, mpangalatra moto sy mpandrahona olona amin’ny basy izy ireo.

Tra-tehaky ny mpitandro filaminana, efa naiditra am-ponja vonjimaika, omaly, i Jajabiby. Anisan’ireo jiolahy tompon’antoka tamin’ny fangalarana moto niharo fanapoahana basy mahery vaika tao Ankirihiry Toama­sina, ny zoma lasa teo. Azon’ ny polisy rehefa latsaka teny amin’ny jiolahy iray nandritra ny halatra moto ny basy sy ny bala 13 tamin’io zoma io, rehefa narahana akaiky. Ni­roso tamin’ny fanadihadiana lalina avy hatrany ny mpitandro filaminana. Ny sabotsy, saron’ny zandary teny amin’ny cité Ca­nada ny iray tamin’ireo olon-dratsy nikasa hi­varotra ilay moto halatra. Anarana nahafantaran’ny mponina ao an-toerana io olon-dratsy io ny hoe Jajabi­by. Noporetina tamin’ny alalan’ny fanadihadiana ity farany. Nitoroka ny mpiara-miasa aminy amin’ity halatra moto ity io jiolahy io. Anisan’ ny voasambotra koa i Sabo­to­hetsy, jiolahy raindahiny iray. Samy olona mpihavy avokoa izy mirahalahy sarona ireto. Natolotry ny zandary ny polisy ho hadihadina ny raharaha taorian’io. Tetsy ankilany, nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety ny ekipa mandrafitra ny OMC, notarihan’ny tonian’ny fampanoavana, sampam-pitsarana ambaratonga voalohany ao Toamasina, Vahiny Yvi Sandro. ” Efa hitan’ny polisy latsaka teny andalana ilay basy sy ireo bala 13 ny zoma. Mi­dika fa tranom-bala mahazaka bala miisa 16 no nampiasain’ireto jiolahy ireto hamonoana ny samy mpiray tanindrazana ka tsy ekena izany”, hoy ny tonian’ny fampanoavana, sampam-pitsarana ambaratonga voalohany ao Toama­sina. No­hama­fisiny fa matotra tanteraka ny fiaraha-miasa eo amin’ireo samy mpitandro filaminana ao an-toerana.

Tratra tany Taolagnaro
Vokatr’io fiaraha-mientan’ny mpikambana anatin’ny OMC io, noraisim-potsiny tao Taolagnaro ny jiolahy fahatelo voasaringotra tamin’io halatra moto niaro fampiasana fitaovam-piadiana io. Naha­trarana moto maro teny amin’io jiolahy io izay efa entiny mihazo an’i Taolag­naro. “Haverina eto Toama­sina avokoa ireo moto rehetra sarona ireo. Hanoka­fana fanadihadiana kosa ny mpiasan’ny sambo sy ny seranan-tsambo”, hoy ny tonian’ny fampanoavana ao an-toerana. Hiitatra, noho izany, ny fanadihadiana. Andrasana ny tohin’ny raharaha.

Basy ahina ho nahafaty mpandraharaha
Araka ny fanadihadiana ataon’ny OMC hatrany, mitovy tamin’ny bala nahafaty ilay mpandraharaha izay nahavery ny vola 150 tapitrisa Ar, ny 4 febroary teo, ity basy latsaka teny amin-dry Jajabiby ity. Na­hafaty an’i Lahady Marco, ny 25 febroary teo, tao Manga­rivotra koa io karazana bala io. “Mitovy avokoa ny marika bala nampiasain’ireo jiolahy nandritra ny fanafihana intelo ireo”, araka ny fanamafisan’ny tonian’ny fampanoavana ao Toamasina. Tsy maintsy ho fantatra aorian’ny fanadihadiana kosa raha ny nambarany ny loharanon’itony fitaovam-piadiana mahery vaika eny ampelatanan’ny jiolahy itony.

Sajo/Tsiferana R.

Partager sur: