Voafaritra ho anisan’ny firenena afrikanina manana fehezan-dalàna goragora mikasika ny fanalan-jaza i Madagasikara nanomboka ny taona 2017, raha ny fanazavana voaray avy eo anivon’ny fikambanana Nifin’Akanga. Nilaza izy ireo fa antony faharoa mahatonga ny fahafatesan’ny reny betsaka eto Madagasikara ny fahasarotana ateraky ny fanalan-jaza tsy azo antoka. Vokatry ny fahaverezan-dra diso tafahoatra sy fahasarotana hafa mandritra izany. Voararan’ny fehezan-dalàna famaizana, nivoaka ny 2017 andininy faha-317, ny fampitsaharana ny fitondrana vohoka, na inona na inona antony. Nohamafisin’ny lalàna hatrany fa voasazy ireo rehetra manao izany, eny fa na antony ara-pitsaboana sy ara-pahasalamana aza, araka ny lalàna n°2017-043, andininy faha-28.
Ankoatra izay, betsaka ireo renim-pianakaviana sady reny no ray ao an-tokantrano raha ny zava-misy ankehitriny. Tsy manan-jo hanana bokim-pianakaviana izy ireo na dia manana andraikitra maro samihafa aza, satria tsy eken’ny lalàna izany.
Miady amin’ny herisetra
Betsaka ny fikambanana manao hetsika miady mba hampitsaharana ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy sy ny ankizy tsy ampy taona eto Madagasikara. Anisan’izany ny Nifin’Akanga, niforona ny taona 2018. Manampy azy ny fikambanana Women Break The Silence ary ny fikambanana Tao.
Resy lahatra izy ireo fa manana zo hisitraka fahasalamana ara-pananahana sy harovana amin’ireo karazana herisetra ny vehivavy sy ny ankizy tsy ampy taona. Anisan’ny mampiroborobo ny hetsika fampitsaharana ny fanalan-jaza ihany koa izy ireo. Tanjon’ny fikambanana ny hanovana ny rafitry ny volavolan-dalàna mba hifanaraka amin’ny zon’ny niharam-boina. Ankoatra izay, hanovana ny fiarahamonina mba hiaro ny vehivavy manoloana ireo karazana herisetra maro samihafa.
Mino (mpianatra asa)