Rugby vehivavy – «Sevens Challenger Series»: hidona voalohany amin’ny Makis i Mexique

Hitodika atsy Afrika Atsimo avokoa ny mason’ny rehetra, rahampitso alakamisy, hiatrika ny fiadiana ny “sevens challenger series”, taranja rugby ho an’ny sokajy vehivavy. Anisan’ireo ekipa hiady izany amboara izany, ny Makis Ladies de Madagascar.

Hanomboka rahampitso alakamisy 20 ka hatramin’ny sabotsy 22 avrily, ny dingana voalohany amin’ny fiadiana ny “Sevens challenger series”, taranja rugby, lalaovina olona 7, ho an’ny sokajy vehivavy. Ani­san’ireo hiatrika izany ny Makis Ladies ka hiditra an-tsehatra avy hatrany. Fiha­onana, hotanterahina ao amin’ny Markotter Stadium, Stellenbosch Afrika Atsimo. Raha ny fandaharam-potoana, hidona voalohany amin’ny Makis ry zareo avy any Mexi­que, ho an’ny sokajy “E”. Lalao hanomboka amin’ ny 10 ora maraina eto Madaga­sikara. Fihaonana faharoa, ny fifandonana amin’i Tchécos­lovaquie, amin’ny 1 ora sy fahefany.
Hitohy ny zoma 21 avrily izany, ka hifanandrina amin-dry zareo mpampiantrano ny tovovavy malagasy, amin’ny 12 ora sy 10 mn. Ekipa vaovao amin’ny Makis i Mexique sy i Tchécoslovaquie saingy efa ampy tsara ny fiomanan’ny Makis hiatrehana azy ireo. Ny afrikanina tatsimo indray efa nifanandrina tamin’ny Makis, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Can 2022”, ka resin-dry zareo, teo amin’ny famaranana ny Malagasy. Eto izany ny hanala-vela ho an’ny Makis Ladies.
Tsiahivina, fa niatrika lalao tsapa tamin’i Thaillande ny Makis Ladies ny sabotsy lasa teo, ka nandresy tamin’ny isa, 21 no ho 19, teo amin’ny lalao voalohany ary nanamontsana an-dry zareo Thaillandaise, tamin’ny isa mazava 20 no ho 0, nandritra ny fihaonana faharoa.
Hatao ny 28 ka hatramin’ny 30 avrily, ho avy izao ny dingana faharoa amin’ity “Sevens challenger series” ity. Hiendrika fiadiana ny ho tompondaka eran-tany kely ity fifaninanana ity satria miisa 12 ireo hiady izay ho lohany. Hanana ny lanjany lehibe ny fihaonana satria hiatrika ny “circuits mondiaux 2023”, izay ekipa tafavoaka voalohany, amin’ity.

Tompondaka

Partager sur: