Slam : mikarakara atrikasa ny MST

Hisy ny atrikasa “Slam’ Up”, karakarain’ny Madagas­lam Section Tana (MST), eny amin’ny foibe toeran’ny ADMC -CRAAM eny An­katso, ny alakamisy 20 avrily 2023. Hetsika tafiditra ao anatin’ny fampirisihana ny tanora eny amin’ny Oniversiten’An­tananarivo mba hirona ho any amin’ny haikanto sy ny kolon­tsaina. Eo ihany koa ny fampahafantarana ny Slam sy fampitomboana ny fahaiza-manao ho an’ny efa ao anatin’ny taranja.
Hisy ny fampianarana ny fototry ny Slam. Ny fizaran’ ireo efa matihanina amin’ny vao misandratra sy ny fifampizarana eo amin’ny samy kalaza eo amin’ny tontolon’ny Slam malagasy. “Miakatra foana ny kalitaon’ny Slam eto amintsika. Anisan’izany ny fitomboan’ny mpankafy, ny fisongadinan’ny Slam malagasy rehefa mifaninana any ivelany”, hoy ny mpikarakara. Porofon’izany ny nahatafiditra tao anatin’ny lahatsoratra 20 tsara indrindra ny lahatsoratr’i Hichim, nandritra ny fiadiana ny tompondaka eran-tany eo amin’ny Slam.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: