Tsy misy « majiamajia » !

Anisan’ny fositra manimba ny fiarahamonina malagasy an­kehitriny ny fahaverezan-kasina. Toa samy mandeha an-jam­bany avokoa sisa ny sarambabem-bahoaka. Tsy mahagaga raha tonga hatrany amin’ny fametavetana sy fahasahian’ny mpanao ratsy miseho masoandro, tsy amin-tahotra. Ilay maha olombe­lona mihitsy no efa voahosihosy sy atao ambanin-javatra. Ha­tra­min’ny nomem-pahefana mba hiaro sy hianteherana aza izao mitazam-potsiny. Firifiry ny mitaraina amin’ny herisetra ara-nofo sy ny voaolana saingy izy ireny no voaeso ho miseho milay sy rangory fototry ny afo.
Mampahonena ny mahita sy mahare ireo sokajy marefo, voatery miaritra ny tsy rariny sy ny tsindrihazolena. Mahakivy ny mahita ny toeram-pilokana etsy sy eroa, eny fa na eny akaikin’ny biraon’ny mpitandro filaminana aza. « Mianara mba miteny na manao fanamarihana moa e ! », izay sahy mitoroka no mahazo vava ratsy. Mampiraviravy tanana ny zava-misy. Tena mampisitri-belona, satry tsy hivoaka ny tokantrano, raha mbola azo atao. Izay jerena sy iainana tena lo avokoa.
Tsy mahagaga raha mivadika tsikelikely any amin’ny fampiasan-kery sy fanjakan’i baroa ny eto Madagasikara. Ma­nomboka miakatra indray io ny tahan’ny fanaovana fitsaram-bahoaka. Eny ifotony miakatra amin’ny ambaratongam-pahe­fana isan-karazany no hahenoana kiana amin’ny kolikoly sy ny tsimatimanota. Zary fiainan-dRamalagasy izany hoe mizatra ny ratsy. Izay heverina fa tsara sy araka ny tokony ho izy, izay tsy mibirioka indray no adala !
Tsy hotazanim-potsiny izay. Tsy maintsy sintonina andro aman’alina ny lakolosy. Hita sy tsapa ny ezaka ataon’ny mini­sitera mpiahy amin’ny lafin-javatra maro. Mihazakazaka izai­tsizy ny famerenana ireo tranom-bakoka sy ny tahirin’ny haren-tsaina maha Malagasy. Sanatrian-dresaka hanao volo mpanoha randrana, na hamendrofendro ny hafaliam-pon’ny sasany fa misy ny tena tsy azo dikaina. Zava-dehibe ny fotodrafitrasa, fa mainka manan-danja kokoa ny fitombenan’ny maha olona amin’ ny toerana sahaza azy.
Ny tiana ahatongavana dia ny fanetsehan’ny tomponan­draikitra rehetra, hitady hevitra amin’ny famerenana ny atao hoe « hasina » sy ny soatoavina  « tena izy ». Zary baikoin’ny vola sy ny rendrarendra ivelany avokoa ny zava-drehetra. Zary an-jorombala ny fahaiza-miaina izay andry hiankinan’ny filaminana sy fitonian’ny fiarahamonina. Tsy mahagaga ilay fikorosohampahana faobe.
Tsiahivina fa izay tia manara-dalàna sy manaja lamina ihany no afaka mandroso. Taon-trano tsy efan’ny irery izany fa mila fiarahan’ny besinimaro resy lahatra. Mitaky fandraisana andrai­kitra bebekokoa sy fanomezana ohatra tsara avy amin’ny mpi­tondra fanjakana ihany koa izany. Tsy ampy ny lahateny tsara lahatra. Mitaky asa sy vokatra azo tsapain-tanana ny fi­voizana ilay kolontsaina malagasy. Tsy misy ny « majiamajia » fa tsy maintsy fandaharanasa matotra sy asa mivaingana ilay izy !

r.r

Partager sur: