Ambohitsiroa : mirongatra ny mpivarotra rongony

Tsy voafehy! Olona enina (mpivarotra sy mpifoka rongony) indray voasambotry ny polisy miady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina (Stup), teny Ambohitsiroa Ambohidratrimo, afakomaly. Nahazo loharanom-baovao ny polisy momba ny fisiana mpivarotra sy toerana fidorohana rongony eny amin’iny faritra Ambohitsiroa iny. Nanao ny vela-pandrika ka tratra teo am-pivarotana rongony ny lehilahy iray. Rehefa nosavaina izy, nahitana fonosan-drongony marobe teny aminy. Niroso tamin’ny fitsirihana ny tranony ireo polisy ka olona dimy mianadahy tratra teo am-pifohana. Tsy afa-nihetsika intsony izy ireo tamin’ny fotoana nahatongavan’ireo polisin’ny Stup.

J.C

Partager sur: