Taorian’ny fampanoavana omaly, nidoboka eny Tsiafahy ny raim-pianakaviana iray nahafaty ny vadiny tetsy Alasora, ny faran’ny herinandro teo. Niatomboka tamin’ny fisian’ny fananana simba tao an-tokantrano ny disadisa teo amin’izy mivady, ny alahady teo. Niakatra ny hafanam-po teo amin’izy mivady. Nitady toaka ary nisotrosotro izany io raim-pianakaviana io. Tsy vitan’izay, nidoroka rongony koa izy. Poa toy izay, niverina nody tao an-tokantrano ny lehilahy. Nokorontaniny anefa ny vadiny. Raikitra ny fikasihan-tanana. Vokatry ny fikasihan-tanana, nisaraka efitra izy mivady ireto. Samy natory ny alina. Noho ny maraina, namoy ny ainy vokatry ny daroka sy vono nahazo azy ilay ramatoa. Niroso tamin’ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana. Voasambotra avy hatrany ilay nahavanon-doza. Tsy niandry ela, natolotra ny fampanoavana ny alatsinainy teo io raim-pianakaviana io. Naiditra eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy vonjimaika izy miandry ny fotoam-pitsarana azy.
Tsiferana R.