Mahery vaika ny aretina vokatry ny tazomoka sy ny tsy fanjarian-tsakafo any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana. Nilaza ny governora any an-toerana fa ilaina fandraisana an-tanana maharitra eo amin’ny fanjakana ny hiadiana amin’izany.
Mahatratra 543 994 ny trangana tazomoka ho an’i Madagasikara ary 68 no maty vokatr’izany, raha ny tatitra navoakan’ny OMS (Organisation mondiale de la santé), tamin’ny 2022. Hita manerana ny faritra 19 ka anisan’izany ny faritra Atsimo Atsinanana.
“Faritra tena voa mafy indrindra, ary anjakan’ny tazomoka ny faritra Atsimo Atsinanana raha oharina amin’ny faritra maro eto amin’ny Nosy”, hoy ny governoran’ny faritra, Dr Mahafaky Justin, raha nanontaniana tetsy Antaninarenina , omaly. Nilaza izy fa miakatra ny tahan’ny tazomoka any an-toerana. Efa miezaka mafy ny fitondram-panjakana hiadiana amin’izany, amin’ny alalan’ny fitsaboana maimaimpoana ireo marary. Nohamafisiny fa ampy tsara ny fanafody eny anivon’ny hopitalim-panjakana rehetra any an-toerana.
Tsy fanjarian-tsakafo
479 000 ny trangana tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka sy mahery vaika any an-toerana nanomboka ny volana mey 2022 hatramin’izao, raha ny fanadihadiana nataon’ny SMART (Standardised Monitoring and Assessment of Relief and Transitions). Nitombo io salanisa io ho an’ny zaza latsaky ny 5 taona, nanomboka tamin’ny fandalovan’ny rivodoza Batsiray farany teo, raha ny nambaran’ny governoran’ny faritra Atsimo Atsinanana hatrany.
Nilaza izy fa voalaza ho isan’ny mitana laharana voalohany amin’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka eto amin’ny Nosy ihany koa iny faritra iny. Mbola mitohy ny fanadihadiana hanamarinana izay satria any amin’ny faritra Androy no tena kere, raha ny nambarany.
Efa mandray an-tanana kosa ny fanjakana mba hisorohana sy hanampiana ny olona voan’ny aretina. Amin’ny alalan’ny fanomezana sakafo ara-pahasalamana arakaraky ny fisehony eo amin’ny zaza. Nilaza izy fa ilaina fandraisana an-tanana maharitra eo amin’ny fitondram-panjakana samihafa izany. Nohamafisiny fa tokony himasoana betsaka ihany koa ny famokarana vokatra eto Madagasikara raha tiana ny hialana amin’izany. Tsiahivina fa hotanterahina any Farafangana ny Andro maneran-tany hiadiana amin’ny tazomoka, ny volana novambra hoavy izao.
Mino (mpianatra asa)