Faritra Atsimo Atsinanana: voaporofo fa zaza 4 matin’ny mosary

Nitondra fanazavana ny sekretera mpanatanteraka ao amin’ny BNGRC, Elack Olivier, omaly, tetsy Anosy, fa voaporofo izao fa ankizy sy zaza 4 matin’ny hanoanana tao amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, tao Manakara, tanànan’i Vohitrindry.
Araka ny fanadihadiana ifotony nataon’izy ireo tany an-toerana no nahafantarana izany. Tetsy andaniny, nanamafy ny minisiteran’ny Fa­ha­salamam-bahoaka izay nanadihady ifotony tany an-toe­rana ihany koa fa mitofezaky ny hanoanana ny mponina. Manjaka ny tsy fanjarian-tsakafo mianjady amin’izy ireo.
Efa voarain’ny BNGRC ny tatitra mikasika izany ka nidina avy hatrany tany an-toerana ny ekipa rehetra ni­tondra sakafo hanavotana ireo mpiray tanindrazana, indrindra ireo tena reraky ny tsy fahampian-tsakafo.
Noraisina ny fanapahan-kevitra fa hidina ifotony avokoa ireo mpisehatra sosialy hijery ny zava-misy sy hanarina haingana ny fahavoazana mba tsy hiitatra na hitarazoka.

Tatiana A

Partager sur: