Tena ilain’ny mponina aorian’ny rivodoza rehefa fotoam-pahavaratra sy ny fotoanan’ny
haintany sy maitsoahitra ny karazana tohana sosialy. Hivoaka, araka izany, ny torolalana
iraisan’ireo mpiantsehatra sosialy, hitovian’ny asa tanterahina eny ifotony.
Notanterahina, omaly, teny Anosy, ny atrikasa fakan-kevitra, hankatoavana ny torolalana amin’ ny fomba fiasa mitovy iraisan’ ireo mpisehatra amin’ny fiahiana sosialy eto Madagasikara amin’ny fiatrehana ny loza voajanahary.
Tanjona ny fitoviam-pijery amin’ny fanatanterahana ny asa eny ifotony, ialana amin’ ny fitarainana avy amin’ireo olona ahiana, raha ny fanazavana nentin’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Mponina, Rakotonirina Miarisoa Patricia.
Loza voajanahary mahazo ny faritra maro eto Madagasikara ny rivodoza sy ny haintany. Eo no tena mila ny fiahiana avy amin’ny fitondram-panjakana sy ny mpiara-miombon’antoka ny mponina ka hanatsarana ny fomba fiasa no tanjona ary hanarenana ny lesoka.
Napetraka ny paikady hahafahana mampitovy ny tadindokanga sy mandrindra ny fanatanterahana eny ifotony.
Ampiharin’ireo mpiantsehatra rehetra ao anatin’ny fiahiana sosialy izany fomba fiasa mitovy izany. Voakasik’ izany ny sokajin’olona misitraka ny fiahiana, ny vola ampiasaina, ny fanaraha-maso…
Mahafantatra ny anjara asany manomboka izao ny mpanao asa sosialy na amin’ ny sehatra tsy miankina na ny avy amin’ny fitondram-panjakana.
Anisan’ny mpiantsehatra sosialy miaraka amin’ny minisiteran’ny Mponina, ny BNGRC, ny Unicef, Pam, ACF izay samy nanatanteraka ny fakan-kevitra teny Anosy, omaly.
Tatiana A