Efa tsy olona intsony! Nidoboka am-ponja ao amin’ny fonjaben’i Miarinarivo, afakomaly, ilay raim-pianakaviana nahavita nanolana an-janany vavy manan-kilema (moana sy marenina)…
Tokony homena ny sazy faran’izay mafy! Ny polisy miasa ao amin’ ny kaomisaria Soavinandriana no nahasambotra ity raim-pianakaviana nahavita nanao fihetsika mamoafady tamin-janany vavy ity. Tsy vitan’ izay fa olona manan-kilema ity zanany niharan’ny fanolanana satria moana sady marenina. Raha ny tatitra nampitain’ny polisy, tonga nametraka fitoriana tao amin’ny kaomisaria Soavinandriana ny rahavavin-drenin’ity tovovavy ity, ny alarobia 3 avrily 2023, fa hoe ny zanaky ny rahavaviny dia naolan’ny rainy niteraka azy. Nomarihiny fa manan-kilema (moana sy marenina izy) ka baiko moana no hifampiresahana aminy. Voalazan’ity ramatoa nametraka fitoriana ity, araka ny tatitra nampitain’ny polisy fa efa roa volana no nitsoaka niala ny ray aman-dreniny ilay niharam-boina ka nitaraina taminy fa naolan’ny rainy niteraka azy sy nanaovany fihetsika mamoafady. Fantatry ny reniny niteraka azy ny fisian’ izany tranga mahatsiravina izany fa mijery fotsiny izy noho ny fahatahorany an-drangahy vadiny izay midaroka sy mamono azy isaky ny mamo. Rehefa nantsoina ny mpandika teny avy ao amin’ ny minisiteran’ny Mponina dia nanazava ny herisetra nataon-drainy taminy isaky ny alina maty jiro.
Nambarany fa tsindrian’ ity rainy ity izy ao anaty haizina ka rehefa tsy azony avy aoriana dia azony ao aloha. Nisy fotoana izy nahatafavoaka feo mafy noho ny herisetra ataon-drainy azy ka taitra tao anatin’ny torimasony ny reniny sy ny zandriny. Tsy sahy miteny anefa ny reniny fa mitazam-potsiny ity zanany naolan-drainy. Tokony hodinihin’ny fanjakana akaiky mihitsy ny momba ity fanolanana mahazo ny ankizy ity. Fotoana izao tokony handinihana akaiky ny sazy faran’ izay henjana homena ireny olona mamoafady ireny na lehilahy io na vehivavy.
Jean Claude