Itaosy: lehilahy maty voatsatok’antsy

Maty voatsatok’antsy teo amin’ny tendany ny lehilahy iray mpanao taxi-moto tetsy Itaosy, ny alatsinainy hariva teo. Ny harivan’io andro io, ni­tondra moto fampiasany isan’ andro ity lehilahy ity. Nahita azy anefa ireo tsy mataho-tody ka nanatsatoka antsy azy avy hatrany. Naratra mafy teo amin’ny tendany io mpitondra taxi-moto io. Niezaka nanavotra azy ireo mpandalo.

Nen­tina nihazo ny toeram-pitsaboana izy saingy namoy ny ainy noho ny fahaverezan-dra be loatra. Tsy hita popoka kosa ny nahavanon-doza. “Mbola tsy nisy vaovao voamarina mahakasika iny tranga iny hatramin’izao”, hoy ny zandary ao Ambohimamory. Rehefa natao ny fanadiha­diana, tsy nisy nipika ny vola teny aminy izay mitetina 52 000 ariary. Mbola hita teo akaikiny koa ny moto nentiny. Ahian’ny olona akaiky azy ho vonoan’olona niniana natao vokatry ny lonilony ity tranga ity. Nalevina omaly ny vatana mangatsiakan’io namoy ny ainy io.

Tsiferana R.

Partager sur: