Kitra any Frantsa : 11 mirahalahy hiady ny «Prix Marc Vivien Foe 2023»

Ho fantatra amin’ny 30 mey ho avy izao ny anaran’ izay mpilalao handrombaka ny amboara «Prix Marc Vivien Foe 2023», taranja baolina kitra. Fifaninanana karakarain’ny France 24 sy ny Radio France International (RFI). Marihina fa natokana ho an’ ireo mpilalao afrikanina, mi­lalao any Frantsa ao amin’ny “Ligue 1” ny “Prix Marc Vi­vien Foe”.
11 mirahalahy ireo hiady izay handrombaka ny amboara amin’ity, ka anisan’ireny ny tompon’ny amboara farany dia ilay Ivoarianina, i Seko Fofana, irakiraka ao amin’ny Lens. Hifampitana aminy, ilay Maraokanina i Hakimi Achraf vodilaharan’ny Paris St Ger­main. Tsara toerana hahazo ity loka ity izy noho ny zava-bitany ao amin’ity ekipa parizianina ity ankehitriny. Eo koa ilay mpiray tanindrazana aminy, i Abdelhamid Yunis, vodilaharan’ny Reims.
Ankoatra azy telo mirahalahy, hifaninana amin’izany i Samed Salis Abdul, teratany ganeanina irakiraka ao Lens. Anisan’ireo mpifaninana goavana koa ilay Malianina i Traore Hamari, vodilaharan’ ny Rennes, izay efa 31 taona. Manana solontena hiady ity am­boara ity ry zareo Zim­babwe, amin’ny alalan’i Munetsi Marshall, irakiraka ao Reims.

Hiady ny hahazo amboara i Senegal

Tsiahivina fa tsy mbola nisy teratany senegaley, nahazo ity “Prix Marc Vivien Foe” ity. Hiady handrombaka izany ho an’ity andiany ity, i Diallo Habib lohalaharan’ny Stras­bourg. Ankoatra izay, na tsy malaza loatra aza, tazana ao anaty lisitra, i Moffi Terem avy any Nigeria, milalao ao amin’ny Nice sy ilay Kongole, Mbemba Chancel ao amin’ny Marseille sy ilay malianina, i Camara Mohamed, irakiraka ao Monaco, miampy ilay teratany guinée –Bissau, i Baldé Mama ao Troyes.
Hitsara azy 11 mirahalahy, ireo mpanao gazety misahana ny baolina kitra ao amin’ireo onjampeo roa ireo. Tsiahivina fa mpilalao kameroney, maty teny ambony kianja nandritra ny fiadiana ny amboaran’ny kaonfederasiona, natao tany Frantsa, ny 26 jona 2003, ni­ka­trohan’i Colombie sy i Ca­me­roun, i Marc Vivien Foe.

Tompondaka

Partager sur: