« Lohahevitra iombonan’ny Malagasy no nofidinay amin’ny alalan’ity fampirantiana momba ny lamba ity », hoy ny tomponandraikitra eo anivon’ny Mozean’ny Saripika eny Anjohy Andohalo. Ranty hanomboka ny 22 avrily izao. Hisongadina amin’ireo saripika hiranty eny an-toerana ny fomba fampiasana ny lamba eny amin’ny fiarahamonina, manoloana ny lafiny tantara sy ny maha olona. Nohamafisin’ny tomponandraikitra hatrany fa « fanalahidy manokatra ny fandinihana ny vanim-potoana sy ny haikanton’ity kolontsaina ity, ireo sary mandrafitra ny fampirantiana ».
Ampahan’ny ranty ho hita eny an-toerana ireo sary olona vita amin’ny vy, nakana aingam-panahy tamin’ny asan’i Alberto Giacometto, mpanao sary sokitra malaza. Asatanan’ireo mpahay taozavatry ny La Ferronnerie d’art d’Antananarivo izy ireo. Ny Haihaingo Landy kosa no hanafy lamba landy ireto asatanana ireto.
Nanangona : HaRy Razafindrakoto