Tratran’ny polisy miasa ao amin’ny compagnie urbaine de circulation (CUC/CSP4), nandrindra ny fifamoivoizana teny Ampefiloha, omaly, ireo jiolahy roa, tompon’antoka tamina halatra tanaty fiaran’olon-tsotra iray. Nipetraka teo amin’ny fiantsonan’ny fiara “parking” eo Ampefiloha ity fiara ity no nidiran’izy roa lahy tampoka. Sendra nivoaka ny tompon’ilay fiara ka nanararaotra niditra tao anaty fiara ireto olon-dratsy ireto. Niezaka nisikotra ilay fiara izy ireo ka nitsofoka avy hatrany. Efa saika haka zavatra mihitsy izy ireo, raha ny fanazavan’ny polisy. Tsy lavitra teo anefa ireo polisy nandrindra ny fifamoivoizana, nahatazana azy ireo ka niroso tamin’ny fisamborana. Fotoana fohy taorian’ izay, tonga ny tompon’ny fiara ary nahatsikaritra ny fiarany efa nisokatra. Nentina nanaovana fanadihadiana any amin’ ny biraon’ny polisin’ny boriborintany fahefatra ry zalahy ireto.
Jean Claude