Sokaf’hehy : mitohy ny fitrandrahana talenta vaovao

Tontosa, omaly, teny amin’ny Cercle -Germano Mala­ga­sy (CGM) Analakely, ny hetsika “Sokaf’hehy”. Fampi­sehoana hatsikana karakarain’ny Sandix, miaraka amin’ireo mpanao hatsikana, karazany Stand up. Manomboka fantatry ny olona ny karazana hatsikana Stand Up, ary mihamaro ny mpankafy sy mandray anjara amin’ny hetsika sahala amin’itony. Ity hetsika ity izay maimaimpoana tanteraka ary misokatra ho an’ny rehetra, ao anatin’ny fanarahana fepetra madinika ny sehatra.
Tafahaona teny amin’ny CGM Analakely ireo mpankafy sy mpanao hatsikana maro samihafa. Nisokatra ho an’ny rehetra ny sehatra teto ary nahitana mpandray anjara isan-karazany ihany koa. No­mena 3 minitra avy nanaovany ny seho an-tsehatra ny mpandray anjara rehetra. “Nahafinaritra ny nahita ny mpandray anjara vaovao niaka-tsehatra, izay hita fa manana ny maha izy azy ihany koa. Hitohy hatrany ny hetsika sahala amin’izao ho fitrandrahana ny talenta vaovao”, hoy ny mpikarakara.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: