Vaviantitra novonoina : nofiraina antsy tamin’ny tendany

Nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana ny renim-pianakaviana iray, tokony ho 71 taona. Notrobarana tamin’ny antsy ny tendany, mbola nahitana ratra ny tanany, omaly.

Vono olona tsotr’izao! Maty tsy tra-drano ny renim-pianakaviana iray efa lehibe monina ao amin’ny tanànan’Ambo­hindra­na­dy, anatin’ny fokontany Am­bohimahatsinjo, Kaomini­na Manandroy, distrikan’Am­bo­himahasoa, omaly vao ma­raina. Hita faty tao anaty ala io ramatoa io. Nidina ifotony nijery ny zava-nisy taorian’ny fampahafantarana avy amin’ny ben’ny Tanàna ny zandary miasa ao an-toerana notronin’ny fokonolona. Araka ny fanadihadiana sy ny fitsirihana natao ny razana, nofiraina antsy teo amin’ny tendany ity ramatoa lehibe ity. Tsy fantatra mazava ny nahatonga ity habibiana ity. Anatin’ny fanadihadiana lalina ny mpitandro filaminana ao an-toerana.

Hamonjy tsena
Niala maraina tao an-tranony, hamonjy tsena ity ramatoa ity. Tsy nitondra volabe izy, raha ny fanadihadiana azon’ny mpitandro filaminana. Tam­poka tamin’ny vadiny, nahare vaovao ity farany, fa hita faty mitsirara anaty ala io andefimandriny io. “Anatin’ ny fanadihadiana lalina ma­hakasika ity vono olona ma­hatsiravina ity izahay eto anivon’ny zandary”, hoy ny kaomandin’ny borigady ao an-toerana. Efa fanaon’io ramatoa io ny ma­monjy tsena vao maraina rehefa alarobia. Ma­nahy amin’ny mety ho vono olona niniana natao ireo fianakaviany. Etsy ankilany, hamakafaka lalina ny raharaha aorian’ny fandevenana ny razana ny zandary vao fantatra ny tena nahatonga ity habibiana ity.

Sambany nitrangana vono olona
Anisan’ny milamina ny fandriam-pahaleman’ny tanàna ao amin’io kaominina io, raha ny fanamafisan’ny zandary. “Tao anatin’ny herintaona, sambany nisehoana vono olona miharo habibiana tahak’izao teto”, raha ny nambaran’ny kaomandin’ny borigady ao an-toerana. Misy ny halatra omby sy halaboty saingy tsy miafara amin’ny fandatsahan’aina toy izao, raha ny fanamafisany ihany.

Tsiferana R.

Partager sur: