Ambohimanambola : hifampizara hasina ry Takasy Hasy

Takasy Hasy, tarika iray avy nitondra avo ny zava­kanto sy ny kolontsaina mala­gasy. Nahazo ny laharana fahatelo tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena ho an’ny mozika misy fototra tany Etazonia mantsy izy ireo, farany teo. Efa nisy matetika, saingy tsy mbola ampy ny fampahafantarana sy ny fizarana ny sanganasan’ny tarika eto an-tanindrazana. Fotoana iray homen’ny Takasy Hasy izay liana, sady hataon-dry Tah Manana ho fifampizaran-kasina koa ny anio, manomboka amin’ny 3 ora sy sasany, ao amin’ ny Atelier Donné Vonjy Ambohimanambola.
« Seho izay somary hiavaka io, satria ny toerana manan-kasina, hampiana mozika ara-panahy…nofidiana ny Takasy Hasy hanokatra izany, satria mifanojo amin’ny lalantsaina tian’ny toerana hovoizina ny mozikanay. Mozika mivoy ny fototra, manjohy ny vanim-potoana ary mifanaraka amin’ ny toerana sy ny vokatra mala­gasy izay azo jifaina ao », hoy hatrany ny fanazavana.

Zo Ny Aina

Partager sur: