Boriborintany V: nanampy ny mponina ny tolotra ara-pahasalamana

Maherin’ny 600 ireo olona noraisina an-tanana nandritra ny hetsika ara-pahasalamana notanterahin’ny CUA teny amin’ny fokontany Ambatomaro Antsobolo, ao anatin’ny boriborintany V, tamin’iny herinandro iny.
Nidina teny an-toerana ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina, nampahery ny vahoaka hazoto sy ho saropiaro amin’ny fahasalamana. Nampiavaka ny hetsika teny an-toerana ny fiarahana tamin’ireo federasionan’ny mpampivelona izay nanampy ny kaominina Antananarivo tamin’ny fanaovana ny fitiliana ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza, ny fanabeazana aizana izay miara- miasa amin’ny mpampivelona eto anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra.
Nanome toky ny federasiona fa hiara-kiasa amin’ny kaominina manomboka izao, isaky ny misy hetsika ara-pahasalamana manakaiky vahoaka toy izao.
Tetsy andaniny, nanolotra fitaovana ho an’ny mpampivelona eto amin’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra izy ireo. Nanampy tamin’ny hetsika ara-pahasalamana koa ny USAID, izay niantsehatra tamin’ny fanaovana vaksiny miaro amin’ny Covid-19…
Nanome tolo-tanana ny Association citoyenne d’Ambato­ma­ro (ASCA), fikambanana eny ifotony ivondronan’ireo olona eny anivon’ny fokontany.
Karazany maro ny tolotra ara-pahasalamana manakaiky vahoaka, toy ny fizahana maso, fandanjana zaza sy torohevitra ara-tsakafo ary fivarotana “Koba aina” masaka izay hiarahana amin’ny Nutri’zaza, fitialana diabeta, fizaham-pahasalamana amin’ny ankapobeny miampy fanomezana fanafody, fihainoana, tantsoroka ara-tsaina sy ara-tsosialy.
Hitohy eny amin’ny boriborintany fahenina indray ny hetsika ara-pahasalamana manakaiky vahoaka.

Tatiana A

Partager sur: